Ampefiloha : mpirahalahy tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina

Voasambotry ny polisy teo Ampefiloha noho ny fitsindronana zava-mahadomelina ma­hery vaika ny tovolahy roa (mpirahalahy). Teo akaikin’ny tranony ihany izy roa lahy no tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovana fampiasany amin’izany. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny fisian’ireo roa lahy mitarika tsy fandriampahalemana eny an-toerana ireo. Fantatra fa isaky ny hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy dia mitsindrona na mifoka, mba hampisy fahasahiana. Mbola misy naman’izy roa karohin’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: