Otrikafo momba ny fifidianana : “Mila hifampidinihana izay mampiady hevitra”

“Mbola resabe amin’izao ny amin’ny fanomanana ny fifidianana. Tonga hatramin’ny adihevitra hoe mety hi­sian’izany na tsia. Tsy misakana ny hisian’ny fifidianana na tsia izahay, tsy hahasakana an’izany rahateo”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia.
Miezaka tsy hikitika ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana, fa io no irosoana any amin’ny fifidia­nana. Nefa be ny adihevitra amin’izao: ny tokony ho masontsivana amin’izay ho kandida, ny fandaniana, ny pitsopitson-dalàna hiatrehana ny fifidianana… Anisan’izany, ohatra, ny amin’ny fampitoviana ny kandida, ny famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra, ny amin’ny fanekena na tsia ny firotsahan-kofidin’ny olona mizaka zom-pirenena hafa… Mahatonga adihevitra ireo, ka mila hifampidinihana.

Andao hatao ny fifidianana

Mbola adihevitra mety hisian’ny fifidianana na tsia koa ny vola hanaovana azy. Adidin’ny samy Malagasy ny fifidianana, indrindra ny fanjakana mijoro. “Noho izany, manohitra ny firehan-kevitra hoe tokony hangatahana fa­nampiana avy any ivelany ny fifidianana eto Madagasikara izahay”, hoy izy. Matoa hamatsy vola amin’ny fifidianana ireo hoe mpiara-miombon’antoka, tsy maintsy hijery ny tombontsoany: izay azony antoka hiaro ny tombontsoany eto.
“Azo atao tsara raha ananantsika ny finiavana politika: ny fanjakana no miantoka ny vola hiatrehana fifidianana, fa tsy avela hotsabahin’ny any ivelany”, hoy ihany izy. Efa nisy teto amin’ny firenena izany. Lasa adihevitra ny hoe: hisy sa tsia ny fifidianana? Satria tsy mbola matoky tanteraka ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana fifidianana ny mpamatsy vola dia mbola tsy mandrotsaka vola ny ankamaroany amin’izao. Andao hatao ny fifidianana fa hatao amin’izay hahazoan’ny fitondram-panjakana mihetsika amim’ny enti-ma­nana hikarakarana izany.

R. Nd.

Partager sur: