Anisan’ireo firenena 12 hiatrika ny World rugby sevens challenger series, ho an’ny baolina lavalava vehivavy, ny Makis de Madagascar. Hiady izay ho lohany, hiatrehana ny “circuits mondiaux”, izy ireo amin’ity.
Nanainga omaly alahady, nihazo an’i Cape Town, Afrika Atsimo ny Makis vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny “World rugby sevens challenger series”. Baolina lavalava, lalaovin’olona 7. 13 mirahavavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Saika efa niatrika lalao iraisam-pirenena avokoa ny ankamaroan’izy ireo ka heverina fa tsy hanavao intsony ity fihaonana ity. Miisa 12 ireo firenena hiady izay ho lohany amin’ity. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hiatrika ny “circuits mondiaux 2023”, izay ho tompondaka eo. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “B” miaraka amin’i Afrika Atsimo sy i Mexique ary i Tchecoslovaquie, ny Makis. Ny 20 – 22 avrily izao ny dingana voalohany ary ny 28 – 30 avrily kosa ny faharoa.
Mialoha ireo lalao ireo, mbola hiatrika fiofanana ao amin’ny Stellenbosch Sport Academy, manomboka anio alatsinainy ny Makis de Madagascar. Ny fahitan’ ireo teknisianina ao Afrika atsimo ny fahaizana sy ny lentan’ny mpilalao malagasy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2022”, no naharesy lahatra azy ireo, ka nanasany manokana ny Makis de Madagascar, hanaraka izany. Anisan’ireo, nahazo izany koa i Colombia sy i Angola lehilahy.
Tompondaka
Mpilalao
1-Monica (FTFA) ; 2-Marie Christine (FTFA) ; 3-Patricia (SCB) ; 4-Mirasoa Joella (FTM) ; 5-Tiana Jinah (SCB) ; 6-Dapesse (Toliara) ; 7-Sandratra (3FB) ; 8-Sarindra (FTM) ; 9-Claudia (FTM) ; 10-Zaya Zouanah (SCB) ; 11-Ginah Christine (FTM) ; 12-Felaniaina (FTM) ; 13-Valisoa Erickah (SCB)
Mpanazatra : Akio Imai ; Andriamaro Hajasoa
Mpanazatra mpanampy : R. Zaka