Orange Pro League: tafita sahady amin’ny « Playoff » ny Fosa Jr

Fosa Junior no ekipa voalohany tafita avy hatrany hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”, taranja baolina kitra, taom-pilalaovana 2022-2023. Ma­nana isa 28 ao amin’ny kaonferansy avaratra izy ireo.
Lavon-dry Dax sy Jean Yves, mpilalaon’ny Fosa Jr, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC), nandritra ny fihaonana teo amin’ny andro faha-12 ny OPL, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, omaly.
Baolina tokana tafiditr’i Tsiry, minitra faha-60 no nivoahan’ny Fosa ho mpandresy.

Lavon’ny Cosfa ny Uscafoot

Ankaotra ny lalaon’ny Fosa Jr sy TFFC, tsy nahatohitra ny ekipan’ny miaramila ny mpilalaon’ny kaominin’ Antananarivo Renivohitra. Resin’ny Cosfa tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Uscafoot, nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, natao teny amin’ny kian­jan’Alarobia, omaly. Baolina iray tafiditr’i Nasolo, nandritra ny fe-potoana fanampin’ny fizarana voalohany (45+1 min). Araka izany, eo amin’ny laharana voalohany ny Fosa Jr (28 isa) ary faharoa ny Cosfa (23 isa), raha toa ka fahadimy ny Uscafoot (15 isa).

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo voka-dalaon’ny andro faha – 12 ny OPL :

Kaonferansy avaratra :
Fosa Jr (1) vs (0) TFFC
Uscafoot (0) vs (1) Cosfa
AS Fanalamanga (2) vs (0) Ajesaia
Kaonferansy atsimo :
CFFA (1) vs Dato Fc (0)
3FB Toliara (1) vs Jet Kintana (0)
Zanakala FC (1) vs (1) Elgeco Plus

Partager sur: