Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana ho mpitsara, andiany «Taratra», nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Mpiofana 38 mianadahy, 10 ny vehivavy, no nisitraka izany fampiofanana izany ary nahazo mari-pankasitrahana. Nizara sokajy roa izy ireo, ka nisy ireo tanora na «Jeunes arbitres» miisa 10 ary mpitsara zokiny kosa ny ambiny. Tafiditra hatrany amin’ny politika fampandrosoana ny basikety izao fifampizarana momba ny fitsarana lalao izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Andriatsima Hery. «Manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ny basikety ny mpitsara ka izany indrindra no anton’izao fampiofanana izao», hoy ity filohan’ny ligin’Analamanga ity. Tanjona ihany koa ny hampiakatra ny lentan’ny fitsarana sy ny hitondra ainga vao eo amin’ny tontolon’ny fitsarana.
Afa-po ary vonona ny hampihatra sy hizara ny fahalalana azony ireo mpiofana. Tsy handraraka ilo mby an-doha fa tena hitondra fampandrosoana eo amin’ny tontolon’ny fitsarana tokoa.
Nanotrona ny lanonana famaranana, omaly, ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analamanga, ny filohan’ny komisionan’ny mpitsara sy ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety ary ny fianakavian’ny mpiofana.
Mi.Raz