Fandaharanasa SSH : hamatsy vola ireo fikambanana sy ONG

Hatramin’ny 31 mey izao ny fanaterana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ny fangatahana fa­matsiam-bola, amin’ny ala­lan’ny fandaharanasa “Am­bassador’s Special Self Help Small Grants Program” (SSH).
Iantsoan’ny masoivoho amerikanina ny fahavitri­han’ireo fikambanana sy ONG mijoro ara-panjakana sy ara-dalàna eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Co­mores izany. Tanjona ny hanohanana ara-bola ireo tetikasa madinika, misehatra amin’ny asa sosialy na fampandrosoana eny ifotony.
Hahazo tombony kokoa anefa ireo fikambanana tsy mitady tombony tantanan’ny olona manana fahasembanana na miara-miasa amin’ny olona manana fahasembanana.
Ny fandaharanasa SSH dia mamatsy vola ireo karazana tetikasam-pampandrosoana madinika eny ifotony, mikendry hanatsara ny fihariana sy ny fiahiana ara-tsosialin’ireo misitraka izany.
Voarakitra ao anatin’ny tranonkala https://mg.usembassy.gov/2023-ambassadors-special-self…/ ny masontsivana rehetra mamaritra ny fifaninanana, hahafahan’ny mpandray anjara miomana mialohan’ny handefasana ny fangatahana famatsiam-bola ao amin’ny tranonkala SSHMadagascar@state.gov.

Tatiana A

Partager sur: