ONE : manan-kery ny fahazoan-dalan’ny Base Toliara

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena mikasika ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija, ny ben’ny Tanànan’ Ankilimalinike, Toliara II, Mahatoro Longin, ny alakamisy lasa teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE), efa azon’ny orinasa.

Notaterin’ny ben’ny Ta­nàna, Mahatoro Lon­gin, ny tena zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao, misy ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Sady nanitsiany koa ny tsaho iniana aelin’ireo mpanohitra ny tetikasa.
Mahafantatra tsara ny asa natao tany amin’ny fitrandrahana Ranobe ny ONE. Koa, nohamafisin’ny tale jenera­lin’ny ONE, Rakotoson Rija, fa manan-kery foana ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana nomena ny Base Toliara, nomena ny taona 2015. Izany hoe, raha manapa-kevitra ny fanjakana fa hoesorina ny fepetra fampihantonana ity orinasa ity, azon’ny Base To­liara atao avy hatrany ny manohy ny asa hataony rehetra.

Dingana roa
Nampahatsiahivin’ny DG-n’ny ONE, fa misy dingana roa arahina amin’ny fanomezana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE). Mialoha izany, misy ny fankatoavana avy any amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Mitsangana avy eo ny vaomiera teknika, ahitana ny solontena avy amin’ny sehatra voakasika rehetra, manadihady ny fiantraikan’ny fihariana amin’ny tontolo iainana. Izy ireo no mandinika ny lafiny teknika sy ny araka ny lalàna, mikasika ny fihariana ataon’ny orinasa.
Faharoa, ny tombana ataon’ny besinimaro, iara­han’ny vahoaka, ny tompon’andraiki-panjakana eny ifotony, ny fiarahamonim-pirenena. Satria, ilaina ny ahafantaran’ny daholobe ny tetikasa, ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina, sns. Alaina koa ny hevitr’izy ireo. Aorian’ireo lafiny roa ireo no hivoahan’ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE).

Mivoaka ny bokin’andraikitra
Nampahatsiahivin’ny DG, Rakotoson Rija, koa fa manome ny fankatoavana ny vaomiera teknika, ahafahan’ny Base Toliara mandrafitra ny bokin’andraikitra harahiny. Ao anatin’io daholo ny asa hataon’ny orinasa amin’ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana mandritra ny fotoam-piasany. Azon’ny besinimaro jerena izany bokin’andraikitra izany ao amin’ny adiresy niomerikany «site web» an’ny ONE sy ny Base Toliara.
Ankoatra ireo, nanamafy ny ben’ny Tanànan’Ankilima­linike fa tsy miantraika sady tsy mahakasika ny faritra arovana (AP) any Ranobe ny fitrandrahan’ny Base Toliara. Ny 2,5%-n’ny ala any an-toerana ihany no voakasika, izay any ivelan’ny faritra arovana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: