Mitohy ny lalana ho an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, amin’ny fiatrehana fifaninanam-pirenena. Fifaninanana goavana maro no mbola hatrehany, hahazoany ny tapakila amin’ny lalao olympika 2024.
Taorian’ny nandrombahany medaly volamena 3 sy alimo iray, nandritra ny “Open de Tunis” sy “Coupe d’Afrique d’Alger”; mbola hisy koa ny “Open de Luanda”, hifaninanan’i Laura, ny 7 sy 8 avrily ho avy izao. Aorian’izay, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Senior, taranja Judo any Doha, ity Judokas malagasy sangany ity, ny 7 mey ho avy izao. Manana ny herijika mbola hahazoana vokatra tsara i Laura amin’ireo fifaninanana hatrehany ireo. Tsy mitsahatra manoman-tena rahateo izy vantany vao vita ny fifaninanana tany Tunisie sy Algerie, ka avy hatrany dia niverina nikotrana ny tenany. “Tanjoko ny hahazoako ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika hatao any Paris, amin’ny taona 2024”, hoy Rasoanaivo Razafy Laura.
Nisy ny fitsidihana ara-pomba ofisialy, nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, i Bruno Eric Said, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, André Haja Resampa, ny sabotsy teo, teny Ambohijatovo. Niaraka tamin’ity filohan’ny FMJ ity, nandritra izany, Rasoanaivo Razafy Laura. Anisan’ny votoantin-dresaka nifanaovana tamin’io fotoana io, ireo fifaninanana miandry an’i Laura ato ho ato. Ny “Open de Luanda” sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Senior. Noresahana ihany koa ny handraisan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet sy Junior, ny volana jolay ho avy izao. Vonona ny hifanohana ny roa tonta.
Tsiahivina, tafakatra eo amin’ny laharana faha-3 maneran-tany, sokajy Junior, taranja Judo, i Laura, taorian’ny vokatra tsara azony tany Tunisie sy Algerie.
Mi.Raz




