Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nodimandry, omaly tolakandro Andriamananjara Livamalala, mpampahalala vaovao ao amin’ny fahitalavitra Viva. Tampoka ny fahafatesana nahazo an’Itompokolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Mbola niasa izy ny maraina, no nanambara ho te hatory. Niera ny hody izy ary nisakafo tao anaty tranom-pivarotana iray, teny Alarobia, ireo mpiara-miasa aminy sendra niantso azy no nahalalana fa tsy mahatsiaro tena izy satria olon-kafa no nandray ny antso, ka nilaza tamin’izy ireo fa tsy mahatsiaro tena i Liva. Taorian’io, nezahina nentina tany amin’ny hopitaly ny lehilahy saingy tsy voavonjy intsony ny ainy. 34 taona i Liva izao nodimandry izao, ary aretina “Accident Vasculaire Cérébral” (AVC) no nahazo azy.
Nanomboka niasa tao amin’ny Viva, ny taona 2012. Mpanao fanadihadiana ary mpanolotra ny vaovao ara-panatanjahantena, ao amin’io fahitalavitra io. Mpikambana ao amin’ny Union des Journalistes Sportifs de Madagascar (UJSM). Namela mananon-tena sy kamboty iray Itompokolahy. Ny razana dia eny amin’ny trano fonenany eny Soavimasoandro. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Taratra.
Tompondaka




