Taorian’ny Fosa Junior Boeny, tafakatra amin’ny dingan’ny “playoff” an’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra, “Orange Pro League” (OPL) ihany koa ny Cosfa Analamanga. Manana isa 23 ny ekipan’ny miaramila amin’izany, ary miray vondrona izy ireo sy ny Fosa Junior Boeny, ao amin’ny kaonferansy avaratra. Vaovao tsara ho an’ny miaramila, hita omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny OPL. Efa fantatra, araka izany, ireo ekipa roa solontenan’ny kaonferansy avaratra. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Cosfa irery ihany no nandavo ny Fosa Junior nandritra ity fifaninanana ity. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny mpilalaon’ny Boeny, teo amin’ny andro fahafiton’ny OPL.
Gidragidra ny an’ny Kaonferansy Atsimo
Ankoatra izay, mbola ady sarotra ny an’ny kaonferansy atsimo, mifaneritery ny isa manelanelana ny voalohany sy ny faharoa ary ny fahatelo sy ny fahefatra. Araka ny filaharana, mitarika eo amin’ny loham-bondrona ny CFFA Andoharanofotsy, manana isa 19; manaraka azy aoriana ny Mama FC, 17 isa sy ny Elgeco Plus, 16 isa, Disciple FC, 13 isa. Tsiahivina fa hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro faha-13 amin’ity fifanintsanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)
Filaharan’ny OPL
taorian’ny andro faha-12 :
Kaonferansy avaratra :
1- Fosa Junior (28 isa)
2- Cosfa (23 isa)
3- As Fanalamanga (17 isa)
4- Ajesaia (16 isa)
5- Uscafoot (15 isa)
6- TFFC (8 isa)
7- Tia Kitra FC (7 isa)
8- Asa Diana (2 isa)
Kaonferansy atsimo :
1- CFFA (19 isa)
2- Mama FC (17 isa)
3- Elgeco Plus (16 isa)
4- Disciples FC (13 isa)
5- Zanakala FC (13 isa)
6- Jet Kintana FC (11 isa)
7- Dato FC (11 isa)
8- 3FB Toliara (8 isa)