Hatairana ny an’ny rehetra, omaly, tany Meksika. Nikasi-tanana mpilalao ilay mpitsara lalao baolina kitra meksikanina, Fernando Hernandez. Marihina fa tamin’ny lalao nihaonan’ny América sy ny Club Leon, amin’ny fifaninanana “La Liga MX” no nitranga ny olana. Raha hiverenana ny zava-nitranga, nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Club Leon, nahazo “corner” ny America, ka nahasahala ny isa ho 1 no ho 1, ny minitra faha-65, rehefa nifanjevo tao anaty faritra mifanandrify ny tsatoby an’ireo mpilalao roa tonta. Taorian’io, nangataka fanazavana tamin’i Fernando ilay mpilalaon’ny Leon, Lucas Romero. Tampoka teo anefa, nodomin’ity mpitsara ity tamin’ny lohaliny ny kibon’ilay mpilalao, ary nomeny karatra mavo. Amin’izao fotoana izao, efa misokatra ny fanadihadiana any an-toerana ary ny kaomisionina ny mpitsara no handray an-tanana izany.
Araka ny filazan’i Edgardo Codestal Mendez, filohan’ny kaomisionina teo aloha, mety hoesorina amin’ity mpitsara ity ny karatra maha mpikambana azy eo anivon’ny Fifa, tsy mahazo mitsara lalao iraisam-pirenena mandritra ny fotoana maro izy, saingy mbola andrasana ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny lalaon’ny Club Leon sy ny América, tamin’io fotoana io ary efa niala tsiny tamin’ireo mpilalao ity mpitsara meksikanina ity.
Fitia (Mpianatra asa)