Rafi-pampianarana : “Sahirana ny sehatra tsy miankina”

Efa lany teny amin’ny parlemanta ny lalàna mifehy ny rafi-pampianarana vaovao eto Madagasikara saingy miandry ny didy fampiharana. Misedra olana mifandraika amin’izany anefa ny tsy miankina.

Naparitaka eny anivon’ny sokajy na vondrona voakasika mivantana (firaisamonina sivily, Vo­vonan’ny sekoly tsy miankina… ireo sekoly tsy anaty fikambanana) ny lalàna ho fampahafantarana ary miantso fakan-kevitra ny minisitera telo misahana ny fanabeazana amin’ity volana avrily ity, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, Rakotomalala Célin, omaly. Sahiran-tsaina ireo sekoly miahy tena amin’ny fanavaozana nentina ao anatin’ny lalàna vaovao. Voa­lohany ny momba ny «préscolaire» tsy maintsy diavin’ny kilonga madinika mandritra ny herintaona. Ho an’ny sekoly tsy miankina, misy ny “garderie” fandraisana ireo zaza vao teraka mitohy amin’ny sokajy 0-2 taona hatra­min’ny 5 taona ka tsy voafetra ho taona iray ny fandalovana amin’ny akany fibeazana. Tsy mahazo mampiasa teny vahiny ao anatin’ny akany fibeazana nefa ao no misokatra ny vavahadin-tsain’ny ankizy amin’ny fihainoana tenim-pirenena hafa, hoy ny nambaran’ity tomponandraikitra ity.
Momba ny ambaratonga voalohany izay hizara sokajy roa : T1-T2-T3 sy T4-T5 ary T6. Nahazatra hatramin’izay mpampianatra iray misahana kilasy iray, rehefa hiditra amin’ny kilasy T6 ahoana no hiatrehana izany miaraka amin’ny fandaharam-pibeazana vaovao ? Ho an’ny sekoly tsy miankina, manana olana izy ireo amin’ny fotodrafitrasa satria nijanona teo amin’ny T5 ny ambaratonga voalohany hatramin’izay. Mila manangana efitrano handraisana ny T6 ny mpitantana hamaranana ny dingana roa amin’ny ambaratonga. Eo amin’ny kilasy T6 no manao tombana voalohany izay mitovy lenta amin’ny CEPE teo aloha.
Misy rahateo ny taranja vaovao toy ny kanto, fahaiza-miaina, tontolon’ny asa ma­nomboka amin’ny kilasy T1 ka hatramin’ny kilasy famaranana. Tsy mbola nisy fiofanana ho an’ny mpanabe momba ireo taranja vaovao. Hanao­vana andrana amin’ny Cisco 14 ny fandaharam-pibeazana ka ny sekolim-panjakana no maro anisa ao anatiny.

Vonjy A.

Partager sur: