Vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy, raha oharina amin’ireo olon-tsotra nanao fitiliana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny SISAL (Sambatra Izay Salama). «Aretina azo avy amin’ ny firaisana ara-nofo no hita amin’ny ankamaroan’ny vehivavy mpivarotena», hoy ny filohan’ny filankevim-pintanana eo anivon’ny Sisal, Ranaivonirina Mariah.
Maro ny tanora mieritreritra fa ny mpivarotena irery ihany no mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. “Mety ho tratra avokoa ny olon-dehibe sy ny tanora ary ny ankizy miroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra”, hoy hatrany izy. “Arahi-maso sy tiliana matetika kosa ny mpivarotena mba tsy hiparitahan’ny aretina haingana”, hoy ny mpiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahasalamana eo anivon’ny SISAL, Rivoniaina Mihantsasoa Michaella. Nohamafisiny fa tokony ho mailo hatrany ny olon-drehetra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Tsara indrindra ny fanatonana mpitsabo sy fanaovana fitilina rehefa mahatsiaro hafahafa ny toe-batana.
Manentana ny olon-drehetra hitily ny tsimokaretina IST sy VIH ny fikambanana. Nandritra ny herintaona ny hetsika ary hifarana ny volana Avrily hoavy izao. Nanao izany tetsy Anosy izy ireo omaly. Tanjona ny hanatsarana ny tontolo ara-ekonomikan’ireo olona mitondra ny aretina. Eo koa ny hamongorana ny tsimokaretina eto amin’ny Nosy.
Mino (mpianatra asa)