Tontolo iainana : namboly hazo ny Miary Aid

Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Bon­gatsara, ireo mpikambana eo anivon’ny Association Miary Aid. “Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny fi­kambananay ny fiahiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny lafiny fanabeazana ka antony hanaovana izao hetsika izao”, hoy izy ireo. Tsy vitan’izany anefa fa eo koa ny hetsika sy asa ataon’ izy ireo iadiana amin’ny fahantrana, mianjady amin’ny vahoaka amin’izao fotoana izao.
Hitohy amin’ny fikarakarana hetsika samihafa hitadiavam-bola izany, hahafahana manatanteraka ny vina sy ny asa ataon’ny Miary Aid. Ani­san’izany ny hetsika fampisehoana an-tsehatra, ny fangatahana fanohanana amin’ireo orinasa na mpandraharaha…
Tsiahivina fa efa nitsangana ny taona 2022 ny fikambanana ary efa maherin’ny 30 izao ireo mpikambana ao
amin’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: