Manomboka izao, ho masoivohon’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar, ny mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan”, Rakotondrabe Romuald Felix na i Roro. Hifanome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny roa tonta.
Tsy diso safidy ny Telma Madagascar, nanendry an-dRakotondrabe Romuald Felix (Roro), mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan 2023”, ho ambasadaorony. Lanonana notanterahina teny amin’ny foibe toerany eny Andraharo, ny talata lasa teo. Ity orinasan-tserasera ity izay mpiara-miombon’antoka voalohany amin’ny baolina kitra malagasy, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa hampiroboroboana ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity. Nanohana ary nahazoana ny vokatra tamin’ireny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023” ireny.
Tanjon’ny Telma ny fandraisana anjara amin’ny baolina kitra malagasy ary hanome ho an’ny vahoaka ny fahazoana miaina ny tsiro ary hisian’ny firaisankinan’ny rehetra amin’ireo fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena goavana, hatrehin’i Madagasikara.
Nipoitra avy amin’ny fianakaviana tsotra i Roro, mpanazatra ny Barea “Chan” ary fitaratra ho an’ny vahoaka maro anisa. Voamarika ny talentan’ny tsirairay, ary fantatra sy nitondra vokatra ho an’ny firenena.
Mirehareha ny Telma amin’izao fiaraha-miasany amin’ny olona misongadina sy fakan-tahaka ho an’ny fanatanjahantena malagasy izao. “Amin’ny maha mpanohana voalohany ny baolina kitra malagasy, eo akaikin’ny Barea sy ny federasiona malagasy (FMF) hatrany ny Telma”, hoy i Roro, izay tsiahivina fa nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny “Chan 2023”, notanterahina tany Algerie, farany teo.
Marihina fa ny Barea de Madagascar irery no hany ekipa vaovao, nandritra iny “Chan 2023” iny. “Teknisianina ary manana fahaiza-manao miavaka ny mpilalao baolina kitra malagasy. Mila miady ho tonga mpandresy saingy mandeha miandalana ny hahazoam-bokatra”, hoy hatrany i Roro.
Ho an’ny tetikasa manaraka, nanambara ny fahavononany hitondra avo hatrany ny fanevam-pirenena ny mpanatra ny Barea «Chan».
Torcelin