American Corner : maimaim-poana ny antontan-kevitra ao amin’ny eLibraryUSA

Notanterahina teny amin’ ny American Corner Anta­na­na­rivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina.

Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny kara­zana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahi­tana asa fikarohana avo lenta efa vita fanadihadiana sy voamarin’ireo manam-pahaizana samihafa maneran-tany, ga­zety sy gazety boky eran-tany izany. Tanjona ny hanampy ireo rehetra maniry ny hahazo valinteny momba ny fikarohana ataony na te handalina bebe kokoa lohahevitra iray.

Maimaim-poana ny fampiasana ny eLibraryUSA ho an’ireo mpikambana amin’ireo American Corners.

Nanatrika izany ireo mpitantana tranomboky avy amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo oniversite manodidina, ny avy amin’ny tranombokim-pirenena, niampy ireo avy amin’ny tranomboky sami­hafa.

Tatiana A

Partager sur: