Ho voky !

Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana sy fifamatorana ary dingana lalovana amin’ny famonjena. Zava-dehibe izay ilaina tokoa eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona, indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra lalovana maneran-tany izao.
Tari-dresaka fohy, natao hisintonana ny saina ho an’ny tsirairay iny. Ho fampahatsiahivana fa ilaina ny fananana finoana na foto-pinoana amin’ny fiainana. Hodidina iray ny maha kristianina fa izay hifikiran’ny saina, handrian’ny fo, mampahazo aina no zava-dehibe. Anaty sedra maro Ramalagasy amin’izao fotoana izao. Toe-java-misy tsy tongatonga ho azy. Mety ho azo hazavaina amin’ny fisainan’ny zanak’olombelona kanefa ilàna fahamalinana be amin’ny lafiny ara-panahy.
Sanatrian’ny vava ny minomino foana, fa tsy mbola nisy hatrizay no iainan’ny Malagasy ankehitriny. Loza aman’ atambo etsy sy eroa. Voina amin’ny endriny maro, mampitondra faisana ny sarambabem-bahoaka. Izany eny anivon’ny fiarahamonina, tsy asian-teny intsony. Mibiririoka sy tsy misy arofanina fa samy manao izay danin’ny kibony. Toa fanjakan’i Baroa.
Very hasina ny maha olona, voahosihosy ny soatoavina isan-karazany. Mijonjorombona, tsy misy zotra arahina ny olona. Vokany, fifanjevoana sy fahalovana mitarika fahoriana mangirifiry na ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy no misy. Tranga tsy ahitam-bahaolana haingana sy maharitra akory, fa mikiky toa homamiadana, mamono tsikelikely ny fiara­hamonina sy ny mponina.
Mila vahaolana hafa ity firenena malagasy ity. Tsy ampy intsony ny vahaolana politika sy toekarena. Asa, mety ho ilay fitodihana amin-Janahary, amin’Andriamanitra na Jehovah, na amin’i Allah, angamba ? Anaty herinandro Masina isika izao. Herinandro natao handinihan-tena sy hanaovana jery todika ny hanatsarana ny fomba fiainana. Tsy hadino, anatin’ny iray volan’ny Ramadany ihany koa, natao hifehezan-tena sy hivavahana. Aoka tsy hatao mandalo fotsiny na fana­tanterahana fombafomba ivelany izany fa tena iainana.
Marary i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Mila fanasitranana ny firenena. Fiombonam-po amin’ny lafiny rehetra no ilaina. Mila fifanomezan-tanana sy fiaraha-mivavaka, arakaraka ny antokom-pinoany avy. Ny fivavaky ny maro no mahataka-danitra. Izay mino sy matoky ny Andriamaniny ihany no avotra ! Koa anjaran-dRamalagasy ny mahay misafidy izay lalan-kizorany, ialana amin’ny hirifiry lalina izao.

r.r

Partager sur: