Kitra ho an’ny vehivavy: hifanandrina amin’i Mayotte ny Barea

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny volana aogositra, hanao lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena, taranja baolina kitra ny Barean’i Madagasikara, vehivavy. Ny ekipam-pirenen’i Mayotte no hihaona amintsika. Hotanterahina any Diego, ny 24 avrily hatramin’ny 1 mey ho avy izao ny fifanandrinan’ny roa tonta. Araka ny fanazavan’Andriatsimialona Sandrine Michela, filohan’ny kaomisionin’ny baolina kitra vavy, eo anivon’ny Federasiona FMF, natao hitsapana na “match-test” ho an’ireo mpilalao miisa 25 mirahavavy ny lalao. Marihina fa izy ireo no voafantina nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, izay natao ny 19 – 26 novambra 2022 lasa teo ny dingana voalohany, ny  9 – 17 desambra 2022 ny faharoa ary ny 1-5 febroary 2023 ny famaranana. Ny ekipan’ny Disciples FF Vakinankaratra no voahosotra ho tompondaka tamin’izany fifaninanana izany. Tsy mbola fantatra aloha hatramin’izao ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenentsika, saingy efa eo am-pikarakarana izany ity kaomisionina ity.

 

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: