Mpankafy ny mozika gadona rock sy ny metaly i Erinah Miora. Tsy nirona tany amin’ny fihirana na fitendrena anefa izy, fa nisafidy sehatra mbola vitsy mpanao, ny famoronana fiakanjo sy ny fianjaika rock sy metaly. Nambarany fa « maro ireo mpanakanto mpiangaly na mpankafy ity gadona mavesatra ity maniry te hanana ireo, nahatonga ahy namorona, mba hanomezana fahafaham- po azy ireo, indrindra ny vehivavy ».
Nanomboka ny taona 2018 no niaingan’i Erinah Miora namorona fianjaika rock sy metaly, nametraka ny marika « Fashioned By Erinah ». Mainty ny loko fototra, ampiasana ny akora lamba, hoditra ary karazam-by isan-karazany. Misy ny akanjo ambony, palatoha, zipo, kiraro, fehitanana, rojo, sns. Nohazavainy fa « mijery karazany amin’ny boky na ny internet aho aloha, avy eo ataoko kisary tanana, ary izay vao amboarina. Ny fianjaika manaitra (sexy) no tena hataoko ».
Vehivavy sy ny ankizy
Vehivavy no tena manjifa amin’i Erinah Miora, fa misy koa ny lehilahy mamandrika aminy, mba ho an’ny zanany kely, lahy na vavy. « Afaka manao karazany hafa koa aho, fa aleoko aloha mifantoka amin’ny rock sy ny metaly », hoy ihany izy.
Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana ho vehivavy tsara indrindra, « Miss Motard », tamin’ny “Festival Woodstock Oktoberfest”, seho metaly tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina i Erinah, ny taona 2022 teo.
Ankoatra ny sehatry ny rock sy ny metaly, mankafy ny tantara lalaovin’i Synèse Ranarison koa i Erinah.
Gix