Andron’ny fahasalamana: zava-doza ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny hetsika momba ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina tetsy amin’ny Tranompokonolona , nandritra ny telo andro.
Nifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ofnalat sy ny Saf Ocean Indien nanao ny hetsika.
Hatry ny talata teo no efa nisy ny fihaonana nampahafantarana ny voka-dratsin’ny fifohana sigara, fihinanana paraky ary ny fisotroan-toaka. Nisongadina indrindra tamin’izany fa mitarika aretina ho an’ny taovam-pisefoana ireo ary mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy. Manafika ny atidoha ihany koa ka miteraka fikorontanan-tsaina. Ankoatra izany ny fikorontanana entiny eo amin’ny fiarahamonina sy ny fandaniana tsy mahasoa.
Niarahana tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana kosa ny hetsika, omaly, nampahafantarana ny zava-doza ateraky ny toaka amin’ny zaza ao am-bohoka. Misy fiantraikany ary mety hahatonga tsy fahatomombanan’ny vohoka ny fisotroana izany. Tena hita eny amin’ny fiarahamonina anefa ny vehivavy mandry an-tatatra kanefa bevohoka.
Maro ny tanora, lahy na vavy miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara. Loza mitatao ho an’ny hoavin’ny tanora mihitsy izany ankehitriny, indrindra amin’ny fandraisana ireo zava-mahadomelina mahery vaika.

Tatiana A

Partager sur: