Tetikasa “Lalankely 3”: ho fampandrosoana sy fanatsarana ny tanàna

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Avrily 2023, ireo asa vita tao anatin’ny tetikasa “Lalankely 3”. Fotodrafitra­sa 1000 mahery no nokasaina ho tanterahina tamin’izany. Ny 80% tamin’ireo no vita ka izao tokanana sy atolotra ho ampiasain’ny mponina izao. Ankoatran’ny kao­minina Antananarivo Reni­vohitra. Misitraka ity tetikasa ity ihany koa ny kaominina 27 manodidina an’Anta­na­narivo. Ramaho­li­masy Hol­der, ministry ny Fana­ja­riana ny tany sy ny fananan-tany, Andriantsito­haina Nai­na, ben’ny Tanà­nan’Antana­narivo Renivo­hi­tra, sy ireo solontenan’ny mpamatsy vola ny tetikasa no nanatanteraka izany lanonana fitokanana izany. “Mitaky adidy ho an’ny rehetra ny fitandremana sy fikojakojana ireny fotodrafitrasa ireny. Fotodrafitrasa natao hanatsarana sy hampandrosoana ny vahoaka malagasy”, hoy ny ministry ny Fanajarina ny tany sy ny fananan-tany.
“Fotodrafitrasa miantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro, mi­teraka fampandrosoana no natao sy natolotra ho an’ny vahoaka”, hoy ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo. Fotodrafitrasa 1116, ahitana lalankely vita amin’ny rarivato, tohatoha-bato, trano famakiam-boky, takelaka famantarana.
Ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina ary ny Fiton­dram-panjakana frantsay no mamatsy vola ny tetikasa. Hitondra fanatsarana ny endrika ivelan’ny tanàna tokoa izao tetikasa sy fotodrafitrasa izao. Eo ihany koa ny fandrosoana sy lova ho an’ny taranaka fara aman-dimby.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: