Niara-nisalahy namboly zanakazo 1 000 fototra, teny Andohatapenaka, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo fikambanana maro toy ny FMF, ny Mazava loha, fikambanan’ny mpivarotra sy ireo mpanao fanatanjahantena… Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo ny fambolena zanakazo, hananana tontolo maitso sy mahafinaritra. Anisan’izany ny fampirisihana ny mponina amin’ny fambolen-kazo toy izao. Nahatsapa ireto fikambanana ireto fa manana andraikitra amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo no nahatonga azy ireo hamboly hazo.
Ankoatra izay, nanamafy ny fanohanana ny ben’ny Tanàna izy ireo. Mandray andraikitra amin’ny fanatanterahana ny velirano napetraky ny ben’ny Tanàna amin’ny famerenana ny “Antananarivo maitso” ny fikambanana.




