Fantatra ny alakamisy lasa teo, ireo firenena hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny lalaon’ny Tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la Francophonie 2023). Ao amin’ny vondrona “i”, miaraka amin’ ny RD Congo sy Congo Brazzaville ary i Canada ny Malagasy. Ho fiatrehana izany, hanomboka anio sabotsy 8 ka hatramin’ny 15 avrily izao, eny amin’ny ivotoeram-piofanana Carion, ny fampivondronana voalohany, ireo mpilalaon’ny Barea. Tsiahivina fa nofantenana tamin’ilay fifaninanana niadiana ny amboaram-paritra, natao ny volana febroary lasa teo, ry zalahy ireto. Natokana ho an’ireo latsaky ny 20 taona, ny lalaon’ ny Tany miteny frantsay.
Hampiantrano ny “Jeux de la francophonie -2023” ny RD Congo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra, ho avy izao. Tsiahivina fa indroa nihemotra ity lalao ity, noho ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Araka ny fanazavana nomen’ny tale teknika nasionaly (DTN), Rado Rasoanaivo tsy ny lalaon’ny Tany miteny frantsay ihany no homanina amin’izao fa tafiditra koa ny fiadiana ny amboaran’ny filankevitry ny fikambananan’ ny baolina kitra, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup).
Tompondaka