Rugby vehivavy : manamafy ny tanjaka ara-batana ny Makis Ladies

Miditra amin’ny andro fahenina anio, ny fanomanantenan’ny Makis Ladies, atsy amin’ny ivotoerana teknika Stellenbosch, Afrika Atsimo. Mbola ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana hatrany no hifantohan’izany. Araka ny fandaharam-potoana, tanterahina isaky ny tapakandro ma­raina izany. Miatrika fanomanana taktika sy teknika eny ambony kianja ny hariva.
Ankoatra izay, misy ny fi­jerena lalao amin’ny alalan’ny fahitalavitra sy ny fampiha­rana an-databatra “théorie”, iarahana amin’ireo teknisia­nina malagasy sy afrikanina tatsimo. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fanomana ny World Rugby Sevens, Chal­lenger Series 2023, izy ity. Fi­faninanana, tanterahina ny 20 ka hatramin’ny 22 avrily ny dingana voalohany ary ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily, ho avy izao ny faharoa.

Ao amin’ny vondrona “B” ny Makis Ladies de Madagas­car, miaraka amin’i Afrika Atsimo mpampiantrano sy i Mexique ary i Tchecoslova­quie. Tsiahivina fa firenena 12 no hiady izay ho lohany amin’ ity, lalao miendrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany kely ity. Hanana ny lanjany lehibe ny World Rugby Sevens, Challenger Series 2023 satria hiatrika ny “circuits mondiaux”, izay tafavoaka voalohany eo.

Ho an’ny eto an-toerana in­dray, miato aloha ny fiadiana ny XXL Top 20, noho ny fetin’ ny paska. Hitohy kosa izany ny 16 avrily ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: