Malaza ny Antsirabe ! Tsy latsa-danja amin’izany ny fivelaran’ny « Fetin’ny Paka » ho an’ity taona 2023 ity. Nahazo tombony ny faritra tsy lavitra an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ny eny Tsarasaotra ny 10 avrily, ahitana ny Lundi de Paques « Bex party ». (Wada sy Youngs, Rim-Ka, Agrad, Raouto…). Sambany handray ny « Fitsangatsanganana goavambe » ny kianja maitso eny Antsavatsava Itaosy.
Hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe kosa ny Lundi de Paques « Donan’ny samy ngeza » (Mr Sayda, Lico Kininike, Tence Mena, Dadi Love…). « Tafiaraka samy henjana », ho hita eny amin’ny kianja maitso Bevalala (Rim-ka, Ceasar, Big Mj, Louckim Drill…). Hiaka-tsehatra eny amin’ny kianja maitson’Alasora mandritra ny « Alasora mifety » ry Amiraly Toulou, Art’Jah mozika, sns, miaraka amin’ireo mpanakanto eny an-toerana
Tahaka ny fahita isan-taona, handray ny fetin’ny paka ny Club Nautique Ivato. « Lundi de paka Bé », ahitana an-dry Naél, black Nadia, Mr Sayda, Malm, Dj Kiero, sns.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto