Mby aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Hoe hatao laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, imasoana… Efa mba misy fihatsarana hatrany ifotony ve, ohatra, ny fiainam-bahoaka? Amin’ity hoe tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny fampandrosoana mivantana ny firenena ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay maika sy lehibe fa antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka no antony: ny vahoaka no mampindrana fahefana, ho an’ny vahoaka ny asa atao, volam-bahoaka no iasana…
Anisan’ny tsy mahafa-bela sy mampikaikaika hatrany ny vahoaka amin’izao, ohatra, ny tsy fandriampahalemana: efa ho lava, tsy mampatoky tena amin’izay aleha sy atao. Fantatra sy iaraha-manaiky izao fa tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Nefa tsy misy fandriampahalemana marin-toerana koa raha tsy misy fampandrosoana. Izay no mampihodinkodina an-toerana hatramin’izay? Tsy milamina sady tsy mandroso. Tsy hita be ihany fa toa mihemotra aza, sanatria, araka ny fijerin’ny sasany, saika tsy mahita afa-tsy lafiratsin-javatra.
Mahafaoka be sy marolafy ny fandriampahalemana, anisan’ny miantoka ny fahamarinan-toeran’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ankapobeny. Manomboka amin’ny tontolo politika mbamin’ny fitantanam-panjakana izany, ka hatrany amin’ny fiainana ifotony eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mba milamina? Na misy fandrosoana ahay… Izay no anisan’ny miantoka ny fihariana sy ny toekerana: tsy ho potika na helingelenin’ny politika ny fampiasam-bola, ohatra, na tsabahin’ny fanjakana ny seha-pihariana, tena atao ny ady amin’ny kolikoly…
Mihatsara izay fihariana sy toekarena izay, rehefa marin-toerana sy milamina ary misy fitoniana ny tontolo politika. Indrindra tsy mifaningotra ny politika sy ny fihariana… Tsy natao iharian-karena, ohatra, ny politika na ny fihariana na ny harena no anjakazakana amin’ny politika. Mihatsara ny lafiny sosialy rehefa marin-toerana sy milamina ary mandroso ny fihariana amin’ny famoronana asa, fitomboan’ny harin-karena faobe, fiakaran’ny sandam-bola, fihatsaran’ny fahefa-mividy… Petra-kevitra avokoa izany? Na nofinofy sarotra amin’ny fanatanterahana…
Tena mila filaminana faobe na aingavao ny raharaha? Na hazava sy ho voalamina amin’ny fiatrehana fifidianana…
R. Nd.