Miady irery hatreto! Izay ny vaovao voaray mikasika ny taranja Muay Thai, eto Madagasikara. “ Tsy mbola nahazo fanampiana avy tamin’ny minisiteran’ny Fanantanjahantena izahay.”, hoy Rakotoalizao Hainatiana Gervais, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Muay Thai. Nivoitra izany nandritra ny fifaninanam-pirenena, natao teny Mahamasina, ny 8-9 aprily lasa teo. “Tsy mbola nanohana anay ny fanjakana nandritra ny folo taona nijoroan’ny federasiona ka manao antso avo amin’ny minisitera mpiahy. Tokony ho jerena akaiky ity taranja ity satria anisan’ny taranja mahasarika tanora maro”, hoy hatrany ny tomponandraikitra.
Marihina fa niakatra ny isan’ny mpandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena raha mitaha ny taona lasa. Nahatratra 80 ny isan’izy ireo, 15 vehivavy ary 65 lehilahy. Dimy ny ligy nandray anjara tamin’ny fifaninanana: Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Bongolava.
Ankoatra izay, natao hanomanana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, izay hatao any Thailand, ny fifanintsanana nokarakaraina tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Fitia (Mpianatra asa)