« Rindran-kira ho anao » : mpanakanto maro hifarimbona ao amin’ny CCEsca

Tarika sy mpanakanto maro no hifandimby hiaka-tsehatra. Ao ny tanora fa tsy vitsy ihany koa ireo zoky itoeran’ny traikefa. Ny iraisana, samy manasongadina ny hasin’ny teny sy ny soatoavina malagasy izy ireo ka hitondra izany mandritra ny « Rindran-kira ho anao ».

Tarika sy mpanakanto mahatratra 20 eo ho eo no indray handray anjara mandritra ilay fampisehoana an-tsehatra « Rindran-kira ho anao », hotanterahina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 16 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Ireo zoky manana traikefa matanjaka toa an’i Fidimalala sy ny Ango­lan’Imerina, Abel Ratsi­mba, Salomon sy Lizah Raseta, Tovo Andrianan­drai­na, Raze­dra sy Ralanto, J. An­driama­nantena, Mamy Rako­toarima­lala sy ny Gasy Mian­gola, Tarika Jean Luce sy Lala, Narisoa, Ny Alondrano, Noely sy ny Sakelidalana. Tsy ho diso anjara koa ireo mpanakanto tanora toa an’i Faniry Raelison hihira ny sanganasan’i Rolland Raelison, raibeny sy Andriampaniry mianadahy, ilay nanolotra seho niavaka tamin’ny fankalazana ny faha- 90 taonan’i Gabhy. Hanentana ny fampisehoana, i Tiana Ra­to­vondriaka sy Moreno Ni­cole ary Ndrema. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Radio Feon’ Imerina ity « Rindran-kira ho anao » ity.
Nambaran’ny mpikarakara fa « zava-dehibe ny manome sehatra ireo zokiolona satria, sady fanomezam-boninahitra azy ireo no fanaporofoana fa ny antitra, antitra ihany’’. Fantatra fa mpamorona avokoa izy ireo. Na izany aza, « tanora avokoa no mi­ara-mihira sy mitendry amin’izy ireo », hoy, hatrany ny mpikarakara. I Tovo Andria­nandraina, ohatra, ny zafiny no efa miara-mitendry aminy. Ao koa ny fiarahan-dRazedra (rainy) sy Ralanto ( zanany ) ary Malm (zafiny ). Ny hira bagasy noforonin-dRazedra sy Georges Ninah no hokaloin’izy ireo. I Fidimalala 95 taona kanefa mbola hihira sy hitendry gitara.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: