Rehefa nivahiny 98 taona teto an-tany. Nodimandry ny talata 11 avrily teo Andriantsoavina Rémi. Iray amin’ireo andrarezin’ny zavakanto malagasy indrindra fa teo amin’ny fitendrena orga sy famoronan-kira. Nanomboka nitendry orga izy ny taona 1953 (70 taona lasa). Raha ny tantara, ny zokiny nantsoina hoe Robert Andriantsoavina rahateo no nampiasa ny orga voalohany hoentina hanatanterahana fampisehoana. Nampianatra ny fomba fitendrena orga any am-piangonana ihany koa Andriantsoavina Rémi. Maro ireo antokom-pihira nifanerasera taminy. Anisan’ ireny sady nihira ny sanganasany maro ihany koa ny Amboarampeo FJKM Tranovato Faravohitra sy ny Akon’ ny finoana FJKM Ambanilalana Finoana.
Hoentina miala ao an-tranony Ambaniala Itaosy ny nofony, ny sabotsy 15 avrily izao. Hanomezam-boninahitra an’andrimanitra ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra amin’ny 1 ora tolakandro, mialohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasam-pianakaviana Ambohibary Alasora.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto