Hotanterahina any Paris, Frantsa, ny 15 hatramin’ny 20 mey 2023, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny “Slam Poèsie”. Misolo tena ny Malagasy amin’ izany i Abdoul Anlim Abdillah, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Hichim. Efa vonona tanteraka ity solontena malagasy ity. “Tsy ataoko mahakivy ahy izay mpandray anjara hifaninana amiko amin’io fiadiana ny ho tompondaka eran-tany io fa vonona aho hanome ny tsara indrindra avy aty amiko”, hoy i Hichim, mpandresin’ny “Slam national 2022”.
“10 andro niainana fiainanana niavaka. Nifanakalozana traikefa tamin’ireo mpanao Slam namana, nahazoana fahaiza-manao vaovao avy amin’i Clotilde de Brito, izay vahiny manam-pahaizana eo amin’ny Slam, nasain’ireo mpikarakara ho an’iny andiany iny. Nahafinaritra ary tena nitondra vokatsoa nahafahana nanatsara ny fahaizana sy fiangaliana ny Slam ny fifaninanana ‘Slam national 2022”, hoy i Hichim. Efa ny volana janoary 2023 no efa lasa tany amin’ny mpikarakara ireo lahatsoratra 6 hoentiny mandray anjara amin’ny fifaninanana. Marihina fa amin’ ny tenin’ny firenena soloiny tena no anaovan’ny mpifaninana tsirairay avy ny fandraisan’anjarany mandritra ny fifaninanana. Tsy maintsy asiana dikan-teny frantsay sy anglisy kosa anefa izany. Amin’ny teny malagasy, araka izany, no hanaovan’i Hichim ny fandraisan’anjarany mandritra ity fifaninanana eran-tany ity. “Fantatro ary tena tsapako hatramin’ izay fa mahay ny mpanao Slam malagasy. Hoporofoiko amin’ny mpanao Slam eran-tany izany mandritra io fifaninanana io”, hoy i Hichim.
Efa manana ny maha izy azy na dia mbola tanora aza i Hichim eo amin’ity sehatra ity. Nisongadina hatrany izy nandritra ny fifaninanana, izay natrehiny teto an-toerana. Anisan’ny sanganasa nampalaza azy ihany koa ny “Bout du pas pieds”, asa soratra mirakitra ireo haikanto nataon’ity kalazalahin’ny Slam malagasy ity.
Lin(Mpianatra asa)