Tontosa ny fanamby! Nikatona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toamasina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any amin’iny faritra Atsinanana iny, tamin’ity.
Tsy mena-mitaha tamin’ireo andiany teo aloha, ary nahitana zava-baovao nampiaiky ny maro ny sanganasan’ireo mpamorona. Tomefy olona hatrany nanoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina, ny alakamisy sy ny sabotsy. Tsy latsa-danja tamin’izany koa ny “Fashion show”, notontosaina tao amin’ny PACT, ny alin’ny zoma.
“Voaporofo fa seha-pihariana azo trandrahana tsara ao amin’ny faritra Atsinanana ny famoronan-damaody. Afaka mivelatra amin’ny talentany ireo tanora mpamorona, ary antony iray nametrahana ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa na ny Centre d’incubation izany. Toamasina rahateo no nisitraka azy ity voalohany”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana.
Raha toa ka 38 ny isan’ireo mpamoron-damaody nandray anjara tamin’ny “Mihamy Mada Fashion” tamin’ity, avy ao Toamasina avokoa ny 26 amin’ireo. Porofo izany fa manana mpamoron-damaody manan-talenta, izay mitrandraka ireo akora avy any an-toerana ihany koa ny faritra Atsinanana.
Irarian’ny rehetra ny hitohizan’ity hetsika nasionaly ho an’ny lamaody ity isan-taona, ka mety ho faritra hafa indray no handray ny andiany faha-5
Zo ny Aina