Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny heriandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Minimes, Juniors, Cadets, Seniors ary Vétérans, taranja Judo.
Navitrika ny mpikatroka, nandritra ny 3 andron’ny fifaninanana ary nampiseho ady matihanina. 400 mahery no nifaninana, avy amin’ny ligim-paritra 8. Raha ny vokatra, mbola tsy lefy laza hatrany ny klioban’ny Saint Michel sy ny ESCA, izay nandrombaka medaly volamena betsaka indrindra. Na izany aza, efa tazana ihany koa ireo klioba sasany, indrindra ny avy any amin’ ny faritra, izay tsy vitsy ihany koa ny niakatra “podium”, indrindra ny teo amin’ny sokajy “Vétérans”.
Samy nanan-danja avokoa ny ady rehetra nitranga teny Ankorondrano, saingy nisy ny tena nisongadina sy niavaka. Anisan’izany ny fihaonana teo amin-dRanaivo Sandratra sy i Nicolas Elyse (-66kg), ka nandresen’i Sandratra, tamin’ny alalan’ny Ippon.
Nampiseho ny maha sangany azy i Laura
Ady anisan’ny nandrasan’ny maro ihany koa ny fifanandrinana teo amin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura (ASM) sy i Isilo Aicha Chicas Deborah (HAK), sokajy Seniors, latsaky ny 70 kg. Nampiseho ny maha sangany azy i Laura satria nahazo fandresena indroa izy nanoloana ity mpifanandrina taminy ity, ka nibata ny fandresena avy hatrany. Nisy ny fankasitrahana manokana an’i Laura, nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, Said Eric Bruno, noho ny vokatra tsara azony nandritra ny fifaninanana afrikanina 3 natrehany. Nahazo fanampiana ara-pitaovana ihany koa ny ligin’Alaotra Mangoro vao nitsangana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanomezana grady ireo mpikatroka nahavita be, teo amin’ity taranja ity.
Nandray anjara i Nampoina, judokas jamba
Nampiavaka ity fiadiana ny tompondaka nasionaly 2023 ity ihany koa, ny fandraisan’anjaran’i Nampoina, ilay judokas jamba niatrika fifaninanana tany Tokyo. Nahafa-po ny seho nataony satria nandresy ny mpifanandrina taminy izy.
Mi.Raz