Volley-Mada 2023 : nandravarava ny GNVB

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Jeunes” sy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “2éme division” lahy sy vavy. Nandravarava ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, izay nibata fandresena miisa 3 tamin’ireo sokajy 6 nifaninana. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona vehivavy ny GNVB 1 rehefa nandavo ny MVBC, tamin’ny seta 2 no ho 0. Laharana fahatelo kosa ny GNVB 2 teo amin’ity sokajy ity. Ankoatra izay, nahazo ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, vehivavy, ihany ny ekipan’ny GNVB 1 rehefa nanilika ny ASI, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa. Teo amin’ny sokajy “2 éme division”, lehilahy, mbola ny GNVB hatrany no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny seta 3 no ho 2, nanoloana ny NADJ. Voka-dalao hafa kosa, tompondakan’i Madagasikara “2 éme division”, vehivavy, ny ekipan’ny SQUAD rehefa nandresy ny AVBA, tamin’ny seta 3 no ho 2. Nahazo ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy, nanoloana ny MVBC ny ASI. Seta 3 no ho 0 no nisarahan’ny roa tonta. Nahazo ny fandresena teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona vehivavy kosa ny BI’As rehefa nisaraka seta 3 no ho 1, tamin’ny ekipan’ny GNVB.
Tsiahivina, tsy nisy ny fifaninanana teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona sy latsaky ny 16 taona lehilahy, noho ny tsy fahampian’ny ekipa. Nanamarika ny teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ihany koa, ny tsy fandraisan’anjaran’ny ekipan’ny Stef’Auto Toamasina.

Mi.Raz

Partager sur: