Rugby – « XXL Top 20 » : lavon ‘ny TFA Anatihazo ny XV FA Ampasika

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andoha­ta­penaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hi­verenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy ireo ny isa tamin’ny alalan’ny CCP nodakan’i Andry, ny minitra faha-2.
Taorian’io, nahatondra baolina nentina tanana izy ireo ny minitra faha – 25. Niezaka nanohitra ihany ny TFA, ka lasa 8 no ho 6 ny isa, nentina niala sasatra, mitarika ny XV FA. Teo amin’ny fidirana faharoa, taitra tamin’ny torimasony ny TFA, ka nanjakan’izy ireo amin’izay ny lalao. Nitsimbadika ho 23 no ho 16 ny isa, azon’ireo mpi­lalaon’Anatihazo, noho izany, ny fandresena.
Araka ny fahitana azy, hita fa tsy ampy fifantohana ny mpilalaon’Ampasika nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, saingy manana tanjaka sy fahaiza-miaraka tsara izy ireo. Etsy ankilany, manantombo amin’ny traikefa ny TFA ka mora ho azy ireo ny nanenjika ny isa sy naka ny fandresena.
Ankoatra izay, nomontsanin’ny 3FB, tamin’ny isa 51 no ho 18, ny XV Avenir. Ny ekipan’ny fahasalamana izay ahitana ireo mpilalao zokiny, toa an-dry Rija, Tolotra, Alain ary Rabiby. Tsiahivina fa ireo ekipa efatra voalohany isam-bondrona ihany no miakatra amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny Top 20.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo voka-dalao rehetra :

TFMA (64) vs (17) FBM
3FB (51) vs (18) XV Avenir
STM (36) vs (33) FTBA
TFA (23) vs (16) XV FA

Partager sur: