Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana

Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny alalan’ny K.O avokoa izany fandresena azon’izy ireo izany. Ankoatra izay, mbola ny faritra Atsinanana ny nahazo ny mpikatroka mendrika « meilleur combattant », tamin’ny alalan’i Omar, niady teo amin’ny sokajy -51 kg. Resiny tamin’ny K.O i Lahatra avy ao Antana­narivo. Anisan’ny nisongadina ny ady teo amin’ny vehivavy, nifanandrinan’i Rachida (Black Barbie), hany solontena tokana avy eto Toamasina, nifanandrina tamin’i Miantsa (Anala­man­ga), teo amin’ny sokajy -50 kg. Tsy naharitra ela fa lavo tamin’ny K.O, teo amin’ny fihodinana faharoa, i Mi­antsa. Efa tany amin’ny fa­nalavam-potoana (round extraordinaire), vao resin’i Charles Roméo (Toamasi­na), i Ricco (Analamanga). Faritra efatra ny nandray anjara tamin’ity dia Anala­manga, mpampiantrano, Toamasina, Antsirabe ary Fianarantsoa.

Sajo

Partager sur: