Fanentanan’ny Ceni : efa azo hamarinina ny anaran’ny mpifidy

Notsiahivin’ny eo anivon’ny Ceni ireo tetiandro amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao sy ny fanohizana ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy. Ani­san’ izany ny efa namaranana vonjimaika ny lisitra ny 10 avirly teo. Haharitra enina andro, nanomboka ny 11 hatramin’ny 16 avrily kosa ny fandefasana ny lisitra eny anivon’ny fokontany rehetra, manerana ny Nosy. Efa nanomboka ny 17 avrily teo hatramin’ny 6 mey, izany hoe manana 20 andro ny fanamarinana ny anarany ny mpifidy. Eo koa ny fametrahana fitarainana sy fanitsiana ny diso eny anivon’ny fokontany. Ny 7 hatramin’ny 21 mey, izany hoe haharitra 15 andro ny fampitana ny fitarainana eny anivon’ny rantsan’ny Ceni, anivon’ny kaominina “CEC” sy ny eny anivon’ny distrika “CED”.

Fandinihana ireo fitarainana
Haharitra 10 andro, ha­nomboka ny 22 hatramin’ny 31 mey, ny fandinihana sy fikirakirana ireo fitarainana voaray. Mitohy hatrany kosa anefa hatramin’ny 31 mey, ny fanoratana anarana eny anivon’ny fokontany.
Ny 1 hatramin’ny 9 jona ny fanontana ny lisitra farany sy ny fandefasana izany eny anivon’ny distrika. Hikatona ny 10 jona ny rejisitra nasionaly sy ny lisi-pifidianana. “Ma­nentana hatrany izahay ny hanarahan’ny rehetra ireo daty sy hanoratan’ireo ampy taona ny anarana ao anaty lisi-pifidianana ho an’ireo tsy mbola nanao izany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.

Synèse R.

Partager sur: