Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniveriste “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Superieur Polytéchnique de Madagascar). Efa nanomboka ny alahady teo kosa ny lalao ary hitohy hatramin’ny alahady 23 avrily izany. Nafana ny fanombohana ary artista kalaza no nanafana ny lanonam-panokafana. Nafana toraka izany koa ny fifaninanana ary niady ny ankamaroan’ny fihaonana eo amin’ ireo Oniversite mpandray anjara. Raha ny omaly, lalao tena niady ny fihaonana teo amin’ny IUM sy ny ESSCA, sokajy lehilahy. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 48 no ho 46, ny IUM. Isa iray monja kosa ny nandresen’ny ISPM ny DEGS, teo amin’ny sokajy vehivavy. Nambaran’ny Recteur eo anivon’ny ISPM, Rabaonary Julien fa tena ilaina ny fanabeazana ara-batana ka izany indrindra no anton’izao fifaninanana basikety izao sady ho fanamarihana ihany koa ny faha-30 taonan’ny ISPM. Nanamafy ihany koa, tetsy ankilany, ny filohan’ny ligin’Analamanga, Andriatsima Hery, fa vonona hifanome tanana ho fampiroboroboana ny basikety eto Analamanga.
Mi.Raz
Voka-dalao omaly
Lehilahy:
IST 52-47 ESSA
ACEEM 43-41 DEGS
IUM 48-46 ESSCA
CNAM 44-46 CNELA
ESMIA 44-46 ESPA
CNTEMAD 27-46 ESTI
LETRANGERS 41-34 IUM
ESCM 60-50 ISCAM
MEDECINE 52-57 ESSA
Vehivavy:
DEGS 26-27 ISPM
ESSCA 40-30 CNTMAD
IUM 44-21 ISCAM
ESMIA 37-44 LETRANGERS