Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny
fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny 50 metatra. Samy
nanome ny tsara avy aminy ny mpilomano tsirairay.
“Nivaly ny ezaka rehetra natao, kanefa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny nambaran-dRabejaona Holy Antsa. Herinandro maro ny nanomanana ity fifaninanam-pirenena ity, izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny fifaninanana rehetra nataony, sokajy olon-tokana. Nahavita nanatsara ny zava-bitany i Holy Antsa tamin’ireo sokajy rehetra nifaninanany ireo. Mbola nahazo “record national” ihany koa izy, teo amin’ny 50m “papillon”. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 29″25 izany. Efa nanakaiky ny “record national” kosa ny zava-bitan’i Holy Antsa, teo amin’ny 50m dos sy 50m “nage libre”. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana. Ankoatra izay, fanatsarana zava-bita mihoatra ny 5 no azo nandritra ity fifaninanam-pirenena 2023 ity. Anisan’izany ny an’ Andrianaho Marie Ange, 400NL sokajy Benjamine. Vitany tao anatin’ny 5.09.19 izany raha 5.09.51 no nahavitan-dRabarijaona Murielle izany tamin’ny taona 2011. Teo amin’ ny 200m dos, sokajy junior koa, nohatsarain’i Tendrinavalona Idealy (2.32.47 ) raha 2.32.54 no nahavitan-dRazafy Elodie izany tany aloha.
Nohatsarain-dRakotobe Tendry, SJA ihany koa ny fifaninanana 50m dos, sokajy poussin, izay vitany tao anatin’ny 29.61 raha 30.25 no nahavitan’i Lalanomena izany tany aloha. Mbola ho an’izay sokajy izay hatrany fa ho an’ ny fifaninanana 200Q4, nahavita nanatsara fe-potoana i Koty (3.00.52) raha 3.01. 21 izany teo aloha. Tsiahivina, mpilomano miisa 370 avy amin’ny ligim-paritra 7 no nandray anjara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity. Hisy ny fifaninanana hitsapana ireo mpilomano miaraka amin’ny “expatriés”, ny volana jiona izao, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionalin’ny federasiona. Amin’io fotoana io no hitiliana izay hisolontena an’i Madagasikara amin’ny lalaon’ ny Nosy.
Mi.Raz