Notanterahina ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ ny kianja Car Mandrosoa Ivato, ny fifaninanana tenisy «Tournoi des petits champions», ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Anisan’ ireo nandray anjara tamin’ity ny ligin’Analamanga sy Atsinanana ary ny seksiona Marovatana. Anisan’ireo niavaka ny zava-bitan-dRakotovao Ambinimanana Précieuse, avy any Toamasina, teo amin’ ny U10 vehivavy. Tonga teo amin’ny famaranana mantsy ny tovovavy, saingy resin-dRandriamananjara Ialisoa (Analamanga), tamin’ny seta 2 no ho 0. Na resy aza anefa izy, hita fa manana ny fahaiza-manaony ary hanana ny toerany atsy ho atsy. Adin’ny samy Analamanga kosa ny teo amin’ ny U10 lehilahy, lasan-dRakotomalala Iloniaina, rehefa nandresy an-dRazafindrazaka Ambinina, tamin’ny seta 2 no ho 0.
Nahatratra 80 mianadahy ireo kilonga nandray anjara tamin’ity. Miditra eo amin’ny faha-10 taonany ity «Tournoi des petits champions» ity, izay ny Car Mandrosoa Ivato hatrany no tompon’antoka sy mpikarakara. Fifaninanana ankatoavin’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Tanjona ny hampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo ankizy ao anatin’ny toe-tsaina mifaninana ary hitarafana ny talentan’ireo taninketsan’ny tenisy eto Madagasikara.
Torcelin
Ireo vokatra hafa
U8 vehivavy : Razakatiana Miadana
U8 lehilahy : Razafindrazaka Ambinina
U12 vehivavy : Andriamananjara Koloina
U12 lehilahy : Rakotomalala Amboara
U14 vehivavy : Andriamaniraka Ainatia
U14 lehilahy : Ramboarina Kintana
U16 vehivavy : Ralibert Antso
U16 lehilahy : Randrianantoandro Tsilavina
U18 vehivavy : Rakotomalala Fikasana
U18 lehilahy : Rabarijaona Tefy Ranja