Barea U20 : andrasana ny anaran’ireo mpilalao voafantina

Nifarana ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion Manjakandriana, ny fifantenana voalohany ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar, sokajy U20. Andrasana, araka izany, ny anaran’ireo mpilalao men­drika ho voatazona. Hango­traka ny ady toerana eo amin’ ireo mpilalao satria samy sangany avokoa ireo niatrika izany.
Raha tsiahivina, nahatratra 100 ireo nanaovan’ny fikambanana mpanazatra fitiliana tamin’ity, izay notsongaina taorian’ny fiadiana ny amboaram-paritra, natao ny volana febroary lasa teo, avy amin’ny faritra 22 manerana an’i Ma­dagasikara. Ambony ny len­tan’ireo mpilalao, araka ny fanambaran’ireo teknisianina ka sarotra ny fifantenana saingy misy ihany ireo efa hita soritra fa mahafeno ny masontsivana takiana. Ani­san’ireny ny haben’ny vatana, ny tanjaka, ny fahafehezana ara-teknika sy ny taktika.

Nanomboka ny 8 avrily lasa teo ity fitiliana andiany voalohany ity ary mbola hisy ny andiany faharoa. Marihina fa hanomanana ny Barea, handray anjara amin’ny lalaon’ ny tany miteny ampahany na ma­nontolo ny teny frantsay (Jeux de la francophonie), tantera-hina any RD Congo, ny 28 jolay hatramin’ny 6 ao­gositra, izy ity. Eo koa ny lalaon’ireo tany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny Cosafa.

Tsy mbola misy mpana­zatra voatendry hitondra ity Barea U20 ity, fa aorian’ny fifantenana farany vao ho fantatra izay hitondra ity ekipam-pirenena zandriny ity.

Tompondaka

Partager sur: