Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Mozea Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Nilaza ny minisitra fa hamerenana ny lanjan’ny kolontsaina sy hikajiana ny vakoka misy eto Madagasikara ny antom-pisian’izao.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Mozea Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Trano fonenany, tamin’ny fotoana naha praiminisitra azy nandritra ny 31 taona, teo anelanelan’ny 1864 sy 1895. Toerana niarahany nipetraka tamin’ ireo vadiny 9 (Rasoanalina, Rasoherina, Ranavalona II, Ranavalona III…), tamin’izany fotoana izany ihany koa. Tanjona ny hamerenana ny lanjan’ny kolontsaina sy hikajiana ny vakoka misy eto Madagasikara mba ho lovan’ny taranaka aty aoriana, raha ny fanazavan-dRakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
“Anisan’ny toerana manan-tantara eo anatrehan’ny firenena satria nipetrahan’ny mpitantana nandray fanapahan-kevitra sy paikady lehibe nitondrana ny tany sy ny firenena izy io”, hoy hatrany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanohitra ny fanjanahana teto amin’ny firenena ihany koa izy nandritra ny naha praiminisitra azy.
« Iray amin’ireo fototra mitarika any amin’ny fampandrosoana sy hiorenan’ny firenena iray ny fanajana ny kolontsainy », hoy hatrany izy. Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny fananganana sy fameloma-maso ny Mozea eto Madagasikara, nanomboka tamin’ny taona 2019, ity hetsika ity. Anisan’izany ny Mozea Viavy Tiagna any Toamasina.
Nohavaozin’ny fanjakana ny toerana
Efa simba hatry ny ela ity toerana fonenany ity. Tsy mbola nisy nikarakara izany nandritra ny 45 taona, raha ny fanazavana teny Amboditsiry. Nandray an-tanana nanavao izany ny fanjakana sy ny minisitera. Nalaina tamin’ny volam-panjakana madiodio ny fikarakarana rehetra. Nilaza izy fa nifarimbona nanamboatra ny zaridaina ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera tamin’ny alalan’ny asa tagnamaro.
Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hetsika. Tonga nanatrika izany ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Hita tao koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny governoran’ Analamanga, ny solombavambahoaka ary ny masoivoho miasa eto Madagasikara. Marihina fa misokatra ho an’ny rehetra manomboka androany ny fitsidihana ny toerana. 500 Ariary ny fidirana ho an’ny Malagasy, 5000 Ariary ho an’ny vahiny. Maimaimpoana ho an’ny mpianatra kosa ny alarobia hariva.
Mino (mpianatra asa)