Taona 2019, notanterahina voalohany tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT), etsy Andavamamba ny hetsika momba ny boky sy ny vakiteny « Lire en Fête ». Hotanterahina ny 22 avrily ka hatramin’ny 29 avrily izao ny andiany faha-4. Napetraka ho laharam-pahamehana sady lohahevitra rahateo ny : « Fisokafana ho any amin’ny tontolo tsara hatrany ».
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampirantiana ahitana boky 30 isa maro mpamaky indrindra ao amin’ny trano famakiam-bokin’ny AFT Andavamamba. Fitantarana angano miaraka amin’i Ny Eja. Atrikasa momba ny tantara an-tsary hotanterahin’i R-Raly. Fandefasana sinema. Tsenabe ahitana boky aman-jatony, sns.
Ho an’ity andiany faha-4 ity, hanana endrika fifaninanana ny fifanakalozan-kevitra momba ny tontolon’ny boky sy ny vakiteny ho an’ny mpianatry ny lisea. Hisy ihany koa natokana ho an’ny olona 16 taona no ho miakatra. Ho an’ireo liana amin’ny « Lire en Fête » kanefa tsy ho afaka ho eny Andavamamba, hampiasa ny fiara AF Mobile ny mpikarakara. Ahitana izany ny eo anoloan’ny kianja Barea Imahamasina, ny marainan’ny 22 avrily, eny amin’ny CEG Nanisana kosa ny 26 avrily.
Ho an’ity andiany faha-4 ity, somary nomena vahana kokoa ny ankizy sy ny tanora. Ny 22 avrily, fandraisan’anjaran’ny ankizy 3 taona ka hatramin’ny 8 taona. Hifampitantara ny momba azy izy ireo mandritra ny « Tantarao ahy ny tantaranao ». Ny 26 avrily maraina, fifaninanana « ludo géant » ho an’ny tanora 14 taona no ho miakatra.
HaRy Razafindrakoto