Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana tanterahan’ny Ankoay U19, any Elan Chalon Frantsa, nanomboka ny 10 avrily lasa teo. Fanomanan-tena tapany faharoa hanomanana ny « World Cup U19 », hatao any Hongrie.
Naneho ny heviny momba ny fanomanan-tenan’ ny Ankoay U19 hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ny mpanazatran’izy ireo, Randria Aimé na i Coach Mémé. Tombony lehibe ho an’ny ekipa malagasy ny fiatrehana fiofanana avo lenta aty ivelany toy izao, hoy ity mpanazatra ity satria hahafahana maka traikefa sy mitsapa haavo teknika ambony kokoa. “Efa mivoatra ny mpilalao tsirairay saingy mbola misy kosa ny lesoka mila harenina”, hoy ny nambarany. “Mila amboarina sy hamafisina tsara ny défense, indrindra ny fanarahana ny toromariky ny mpanazatra”, hoy izy.
Nandresy ny ekipan’ny Vichy ny Ankoay U19
Niditra tao anatin’ny herinandro faharoan’ny fanomanan-tena, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2023, taranja basikety U19, ny Ankoay, tamin’ity herinandro ity. Fanomanan-tena tontosaina any Frantsa, nanomboka ny 10 avrily lasa teo. Lalao ara-pirahalahiana roa hatramin’izao no natrehan’ny ekipa malagasy. Ny talata alina lasa teo no nanaovana ny lalao faharoa, nifanandrinan’ny Ankoay U19 tamin’ny ekipan’i Vichy U21, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantenan’i Vichy. Raha toa ka faharesena no azon’ny Ankoay tamin’ny lalao voalohany nanoloana ny ekipan’ny Elan Chalon U21, nahazo fandresena kosa ny Malagasy, rehefa nifandona tamin’ny ekipan’i Vichy. Isa 93 no ho 88 no nisarahan’ny roa tonta
Tsiahivina, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay izao no hanatanterahana ity fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19 ity, any Hongrie.
Mi.Raz