Rugby – «Trophy Barthes U20» : hiady toerana ho an’ny “Mondial” ny Makis de Madagascar

Hanainga, anio, hihazo an’i Kenya, ny Makis de Ma­dagascar latsaky ny 20 taona, hiatrika ny fiadiana ny am­boara “Trophy Barthes 2023”. 28 mirahalahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany “Mondial 2023”, hatao any Kenya ihany, ny volana jolay ho avy izao. Hiady lohany amin’izany ireo firenena
8 dia Kenya mpampiantrano,
i Zimbabwe, Namibie, Côte d’Ivoire, Zambie, Tunisie, Ouganda ary ny Makis de Madagascar. Hidona voalohany amin’ny Malagasy ry zareo Tonizianina, ny sabotsy ho avy izao. Nanome toky i Jonah, mpanazatra, fa hanao izay tratry ny heriny, hahazoana io tapakila io hiatrehana ny «Mondial». Nambaran-dRa­kotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby fa hatramin’izao, mbola miandry fanohanana sy fanampiana avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena izy ireo, amin’izao fiatrehana ity “Trophy Barthès” ity. Na eo aza izany aza, manao ezaka ny Malagasy rugby mitady ny fomba rehetra handehanan’ny Makis satria voninahi-pire­nena no arovana. Nanaovany antso avo ho an’ireo andian’olona vitsy miezaka manakorontana mba hitondra am-bavaka ny Makis ary raha misy fitiavana ny taranja itondray na mofo dipaina iray aza, ho an’ireo mpilalao. “Tsy vola ihany no ilain’ny mpilalao
fa na fanohanana ara-tsaina fotsiny ihany aza”, hoy izy. Nampitandrina ireo ligim-paritra mangataka hanao fivoriam-be ny Malagasy rugby fa efa niakatra «Codis» izy ireo ary efa nisy resaka nifanarahana. Hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitra mahakasika azy ireo, raha ny fanambaran’ny filohan’ny Malagasy rugby. Nomarihiny fa manana roa taona hanangana ny klioba sy seksiôna ary ligy ireo tsy mbola nahavita izany, toa an’Analamanga, Bongolava, Atsimo Andrefana, Matsiatra ambony, Diana.

Tompondaka

Partager sur: