« Mibala Tournament » : lavon’ny Cntemad ny ESD

Nahazo fandresena voalohany tamin’ny fifaninanana basikety “Mibala Tourna­ment” ny Oniversite Cntemad Ankadifotsy. Lavon’ireo mpi­anatr’Ankadifotsy, tamin’ny isa 54 no ho 34, ny ESD, ho an’ny sokajy lehilahy. Fihao­nana notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Araka ny lalao, nifandanja tsara ny roatonta nandritra ny fizaram-potoana voalohany (1ère / 2ème quart-temps), ka ady sahala, 24 no ho 24, ny isa nentina niala sasatra. Taorian’ io, nampiseho ny tanjany ny Cntemad, ka niafara tamin’ny 54 no ho 34 ny isa teny amin’ ny solaitrabe.
Marihina fa natao hisarihana ny tanora handrato fianarana eny anivon’ireo Oniver­site ny hetsika, ary tsy hirobohan’izy ireo any amin’ny zava-mahadomelina. « Ny hampifandray ny mpianatra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo no tanjona amin’ity lalao ara-panatanjahantena ity » nohamafasin-dRaboa­nary Tantely, tomponandraikitry ny fifaninanana. Ankoa­tra izay, hotanterahina anio ao amin’ny Gymnase Mahama­sina ny lalao ampahavalon-dalana rehatra ho an’ny sokajy lehilahy, raha toa ka hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Palais des Sports, ny ampahefa-dalana rehetra lahy sy vavy.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: