Mitohy hatrany ny ezaky ny Anac amin’ny fampiroboroboana ny haikanto samihafa eto Madagasikara. Anisan’izany izao fanafarana mpahay kanto matihanina avy any ampitan-dranomasina izao, hizara sy hitafatafa amin’ny mpahay kanto sy ireo taninketsan’ny haikanto malagasy.
Nifarana, omaly, teny amin’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) Anosy, ny atrikasa sy fampahafantarana ny “Tango”, niarahana tamin’ny tarika Trio Buenos Aires, nokarakarain’ny Anac. Ny momba ny gitara sy lokangam-bazaha ary ny angorodao no nentina nandritra izany atrikasa izany. Ny teo amin’ny lokangam-bazaha no tena maro mpandray anjara, raha tsy dia nahaliana ny olona kosa ny gitara. Marihina fa maimaimpoana ny atrikasa ho an’ny mpianatra eo anivon’ny Anac, raha nisy sarany kosa ho an’ny ankoatra izay. “Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny haikanto eto Madagasikara, izany indrindra no nanafarana mpahay kanto matihanina sahala amin’izao. Eo ihany koa ny fahazoan’ny ankizy sy ny tanora ny torolalana sy torohevitra avy amin’ny matihanina”, hoy ny mpikarakara.
Nizara ny fahaizany sy nampahafantatra bebe kokoa momba ny zavamaneno voafehiny sy mampalaza azy avy ny mpikambana ao amin’ny Trio Buenos Aires, nandritra ny atrikasa fampahafantarana ny “Tango”. William Garcin no nisahana ny lokangam-bazaha, izay nahitana mpandray anjara maro tokoa. Jeremy Vannereau kosa teo amin’ny angorodao samihafa. Eric Franceries ny teo amin’ny gitara. “Manana talenta hafa ihany koa ny Malagasy, indrindra ny ankizy. Azo antoka ny hoavin’ny haikanto malagasy, manoloana ny fisian’ny ankizy sy tanora liana”, hoy ireto vahiny nasaina ireto. Efa nisy ihany koa ny atrikasa, natao ny 15 avrily 2023, tao amin’ny Anac ihany. Teo ihany koa ny fampisehoana nataon’ny tarika, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny 17 avrily teo.
Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nizaran’ireto tarika anisan’ny matihanina eo amin’ny “Tango” ireto ny fahaizany sy ny fahalalany ho an’ny Malagasy. “Tena afa-po na tamin’ny fomba fampianarana na tamin’ny votoatin’ny nampianarina”, hoy Ravaoharivony Landy, tanora anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa.
Lin(Mpianatra asa)