Mozean’ny Saripika : haranty ny momba ny lamba

« Lohahevitra iombonan’ny Malagasy no nofidinay amin’ny alalan’ity fampirantiana momba ny lamba ity », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mozean’ny Sari­pika eny Anjohy Andohalo. Ranty hanomboka ny 22 avrily izao. Hisongadina amin’ireo saripika hiranty eny an-toerana ny fomba fampiasana ny lamba eny amin’ny fiarahamonina, manoloana ny lafiny tantara sy ny maha olona. Nohamafisin’ny tomponandraikitra hatrany fa « fanalahidy manokatra ny fandinihana ny vanim-potoana sy ny haikanton’ity kolontsaina ity, ireo sary mandrafitra ny fampirantiana ».
Ampahan’ny ranty ho hita eny an-toerana ireo sary olona vita amin’ny vy, nakana aingam-panahy tamin’ny asan’i Alberto Giacometto, mpanao sary sokitra malaza. Asata­nan’ireo mpahay taozavatry ny La Ferronnerie d’art d’An­tananarivo izy ireo. Ny Hai­haingo Landy kosa no hanafy lamba landy ireto asatanana ireto.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: