Tapaka ny heviny fa hanatevin-daharana ny mpanakanto malagasy! Rosemonde Diana, zanak’i Rosemonde “Kaiamba” (mihira sady mitendry). Rosemonde Diana, nanovo traikefa lehibe tany anivon’ny antoko mpihira. Ankoatra ny fananany feomanga sy matanjaka mahatakatra ny avo sy afaka midina ambany indrindra, manan-talenta sy nandalina ny sehatry ny fitendrena vatamaroafitsoka sy ny famoronana ary ny fandrindrana hira ihany koa i Rosemonde Diana. Heno ao anatin’ny tononkiran’ity mpanakanto ity ny fampiarahana ny fiteny avy any atsimo atsinanan’i Madagasikara (Manakara) sy ny malagasy ofisialy.
Mahafehy gadon-kira maro (milamina, mihetsika, …) i Rosemonde Diana. Manome lanja kokoa ny fiangaliana ny mozika mafana tahaka ny Sud af, batrelaky, tsapiky, sns, ny tovovavy ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa izay tsapa fa mirona amin’ny fitiavana hira mihetsika ankehitriny.
“Misy hafatra mafonja sahaza ny olona tsirairay ny tononkira ataoko”, hoy i Rosemonde Diana. Ireo trangam-piarahamonina andavanandro rahateo no akora fototra entiny mamorona ireo tononkirany. Ilay hira “Tsy mampagnino”, narindra amin’ny gadona Sud af, izay efa vita rindrantsary no nentin’i Rosemonde Diana nambabo ny fankafizan’ny maro. Ho azy, tsotra ny tanjona, “hanandratra avo sy hametraka ny mozika malagasy amin’ny toerana mendrika azy. Tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany”
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto