Rugby vehivavy – «Sevens challenger series»: fandresena 1 sy faharesena 2 no azon’ny Makis

Teo ho eo ny vokatra azon’ny Makis de Madagascar vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7. Faharesena indroa misesy ary fandresena indray mandeha no azon’i Madagasikara, tao amin’ny vondrona nisy azy.

Nahazo isa 3 ny Makis Ladies, teo amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series 2023”, ta­ranja rugby ho an’olona 7, ho an’ny sokajy “E”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Markotter Stadium, ny alakamisy sy omaly zoma. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena nanoloana an’i Mexique, tamin’ny isa mazava, 26 no ho 7 ny Makis ny andro voalohany.

Natanjaka ary tena tafiditra tao anatin’ny lalao avy hatrany ry Jinah sy Joella ary Patricia. Nisesy ny baolina nentin-tanana nataon’ny tovovavy malagasy, tamin’io lalao io. Tombony ho an’ny mpilalao malagasy ny hakingana teo amin’ny tolotra haingam-pandeha ka nahavery ireo mpifanandrina amin’izy ireo izay goavana saingy mavesatra ka tsy naharaka ireo hazakazakin’ny Makis Ladies.
Tsy nitohy anefa izany teo amin’ny lalao faharoa nikatrohana tamin’i Tchécoslovaquie fa hita somary nitambesatra tamin’ireo mpilalao malagasy ny havizanana ka niondrika, tamin’ny isa 12 no ho 7, ny Makis. Niady hatrany ny lalao ary voatohitra tsara ny Tchè­ques fa fahadisoana amin’ny tolotra sy fahaverezam-baolina vokatry ny tsy fitandremana ny naharesy ny Makis.

Tsy mbola afa-bela ta­min’ny Springboks Afrika Atsimo indray ny Makis Ladies, omaly zoma, teo amin’ny andro faharoa. Niondri­ka, tamin’ny isa 14 no ho 5, ny Malagasy. Noverezin’ny afrikanina tatsimo teo amin’ny haben’ny vatana ny Makis, raha ny tati-baovao satria saika nanosika tao anaty “avant” izy ireo, vantany vao mahazo baolina. Hitohy ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily izao ny dingana faharoa amin’ity “Sevens challenger series 2023” ity. Mbola manam-potoana tsara ny mpanazatra ny Makis, manitsy sy manarina ny lesoka tsy nety nandritra iny dingana voalohany iny.

Tompondaka

Partager sur: