Karate : ho avy eto an-tanindrazana ny Sensei René

Ho avy eto an-tanindrazana, ny 25 avrily ho avy izao, ny Sensei Ramanitrandrasana René, 10ème Dan amin’ny ta­ranja karaté. Araka ny voalazan’ny filohan’ny komity mpikarakara, Sensei Rako­tonirina Marcel, omaly, teny Ambatomaro, hanome fiofanana ny Sensei René amin’ny 27 – 28 avrily ho avy izao. Ra­ha ny fanazavan’izy ireo, misokatra ho an’ny rehetra ity fiofanana ity, ka manao antso avo amin’ireo klioba rehetra ny mpikarakara, ary natao maimaimpoana izany. An­koatra izay, ny 29 avrily ho avy izao no hanaovana ny fifaninanana “Coupe René Ramanintrandrasana”, izay hiarahan’ity komity ity amin’ny ligin’Analamanga. Tsy mbola voafaritra ny toerana hanaovana izany.
Fifanintsanana natao ho an’ny sokajy lahy sy vavy, kata sy kumité, lalao natokana ho isaky ny sokajin-taona.
Tsiahivina fa ity fifanin­­tsanana ity, eo ambany fiahi­an’ny Federasiona malaga­sin’ny taranja karate, izay tarihin-dRatefinanahary Emi­le.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: